Fampianarana

Publireportage Millénium university Manomana amin’ny sehatra matihanina


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Tao anatin’ny 6 taona nisiany dia efa maro ireo ankizy nandranto fianarana ambony tato amin’ny Millénium University no efa tafiditra niasa tamin’ireo orinasa izay nampanaovina azy ireo fiofanana, hoy ny tompon’andraikitra voalohany ao aminy, Liantsoa Randrianarimanana.

 Eny Mahitsy sy eny Ambohibao no foiben-toeran’ity oniversite tsy miankina ity izay miompana amina lalam-piofanana 4 dia ny fitantanana, ny lalàna, ny fifandraisana ary ny resaka fitsaboana (Paramed). Ara-dalàna avokoa ireo mari-pahaizana avoakan’ny Millénium University ary eken’ny fanjakana (FOP). Manodidina ny 75 monja no isan’ireo mpianatra ary voara-maso akaikin’ny mpampianatra matihanina. Miara-miasa akaiky amin’ny oniversiten’Antananarivo amin’ny alalan’ny fakiolte fianarana teny Sinoa Mandarin eny Ankatso ihany koa ity oniversite ity, raha ny fanazavana, ao anatin’ny tanjona ny ivelaran’ireo mpianatra amin’ny sehatr’asa iraisam-pirenena. Tamin’ireo 5 mianadahy indray mihira nahazo ny diplaoma licence farany teo dia efa samy eo amin’ny tontolon’ny asa avokoa ankehitriny ny 100%-n’izy ireo.

Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT