Fampianarana

Pr Sammy Gregoire Ravelonirina “Atao zinona ny fampianarana ambaratonga ambony”


  • Alakamisy 08 Jolay 2021

Maro ny zavatra natrehin’ny Seces tato ho ato ka antony tsy dia namparesaka azy, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo,

 Pr Sammy Gregoire Ravelonirina. Isany ny volavolana tolo-dalana miisa 2. Ny iray mikasika ny fizakan-tenan’ny oniversite sy ireo toeram-pampianarana ambony sy toeram-pikarohana ambony miankina amin’ny fanjakana. Nisy fanitsiana tonga tany amin’ny antenimieran-doholona. Niverina novakiana fanindroany indray tany amin’ny antenimieram-pirenena io tolo-dalana mikasika ny fizakan-tena io dia vao nalefa farany teo tany amin’ny antenimieran-doholona indray. Andrasana izany, indrindra, ny ara-bola. Milaza izany rehetra izany fa araka ny fanapahana voalazan’ny fanapahan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny 3 jolay 2020 izay mametraka fa lalana vaovao no mamaritra ny sata sy famaritana ny toeram-pampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Tsy mitovy, ny dikan’izany, amin’ireo toeram-pampianarana hafa mahazatra ny ambaratonga ambony. Misy koa ny fanitsiana sy tovana momba ny andininy maromaro tao amin’ny sata mifehy ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Io tolo-dalana faharoa io no lany tany amin’ny antenimiera miisa 2 namoahan’ny HCC fanapahana, afa-tsy ny andalana farany tao amin’ny andininy faha 27, izay mahakasika ny “professeur émérite” izay tsy sitrahan’ny olona rehetra ankoatran’ny “professeur titulaire” feno 70 taona no miakatra ary mahafeno fepetra enjana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tokony hisitraka ny zo sahaza azy mandra-pahafaty noho izany izy ireny saingy ny mampalahelo dia mety noho ny tsy fahampian’ny fanampim-panazavana voarain’ny fanjakana na fanamaivanana sy fanaovana zinona ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa no mahatonga izay fanaovana tsinontsinona azy ireo izay nefa izy ireo vitsy dia vitsy raha mitaha amin’ireo jeneraly eto amin’ny firenena. Ekena fa nahavita be tamin’ny firenena izy ireny fa tsy ambakan’izany ny “professeur emerite” izay nahavita hatrany dilambato fa tsy teto amin’ny firenena fotsiny ihany. Zara raha miisa 20 izy eto Madagasikara, hoy hatrany izy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT