Fampianarana

Pr Rakotonirina Solonjatovo “Ny fampianarana ambaratonga ambony no tena mila fanorenana ifotony”


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Naneho ny heviny mikasika ny toekarem-pirenentsika ny profesora Rakotonirina Solonjatovo, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly ambony HECCMA omaly.

 Arakaraka ny hitomboan’ireo tanora mpianatra be diplaoma no mampitontongana ny toekarem-pirenentsika, tranga nanomboka tamin’ny taona 1958, hoy izy. Ny fampianarana ambaratonga ambony noho izany no tena mila fanorenana ifotony.  Anisany ny fahaizana mamolavolana mpianatra mahay mifampiraharaha sy mahay mitarika hahafahany manangana orinasa ho an’ny tenany. Tsy mihoatra ny bacc+5  na master II  ny diplaoma takiana, hoy izy dia tokony ho vita fa tsy voatery ny vahiny foana no hanjaka eto amin’ny tanintsika. Foto-kevitra hijoroan’ity sekoly ambony iray ity io, izay marihina fa efa  namoaka injeniera miisa 500 hatreto. Namoaka mpianatra am-polony indray izy ireo omaly ka ny 24 amin’ireo no notolorana ny maripahaizana master II. 39 nahazo ireo Diplômes de technicien superieur. Nomena ny licence kosa ny 35 isa ambiny. Nivoaka tamina lalam-piofanana telo samihafa ireto mpianatra ireto dia ny batiment travaux publics, ny télécommunication ary ny management et science économique.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT