Fampianarana

Pr Radanoara Julien Mandrisika ny tanora hifaninana


  • Zoma 01 Septambra 2017

Ny 20.000 amin’ireo 75.000 mahery afa-panadinana bakalorea ihany no azon’ny oniversitem-panjakana raisina ho an’ny eto Antananarivo.

 

 Efa nanazava izany rahateo ny minisitry ny fampianarana ambony Rasoazananiera Marie Monique, ary naneho fa ny fampanarahana fenitra ireo oniversite tsy miankina sy ireo fampianarana ampitain-davitra no hitadiavana hevitra. Raha izaho ny eo amin’ny toeran’ny mpianatra, dia manao fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana aho, hoy ny Pr Radanoara Julien. Afaka sady miasa no misondrotra hatrany amin’ny alalan’ny fifaninanana hiakarana amin’ny asa, raha ny fanazavany. Amin’izao ihany koa dia efa mitombo ny fianarana ampitain-davitra, izay hahazoana mari-pahaizana mitovy amin’ny eny Ankatso, ka sady afaka mianatra no miatrika ny fiainana, raha ny fanehoan-kevitra nataon’ity mpampianatra amina ambaratonga ambony ity hatrany. Tsy natao hanakiviana, fa maro amin’ireo tanora no lany andro teny amin’ny oniversite fotsiny amin’izao fotoana, ka midonanam-poana vokatry ny tsy fananan’asa, kanefa mety efa nahavita zavatra maro raha sady nitady vahaolana hafa no nianatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT