Fampianarana

Pr Naly Rakotoarimanana “Tsy lalam-pihariana ny fampianarana”


  • Zoma 29 Janoary 2021

Oniversite iray mikendry ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fotodrafitrasa

 

 

 

 

rehetra ao aminy ny Oniversiten’Ambohidratrimo, hoy ny rektora ao an-toerana, ny Profesora Naly Rakotoarimanana. Kendrenay koa ny tsy maintsy hahatsara ny tontolo manodidina ary vokatr’izay ezaky ny mpitantana ny oniversite izay no nahitana ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny ben’ny tanàna eto an-toerana nanaovana ny vato fototra nanokafana ny lalana rarivato 1,200 kilaometatra iny. Tsy mbola manao dingana lava loatra ity oniversite vao miandoha ity fa fiofanana na “mention” miisa 3 ihany aloha dia ny “Management et gestion” sy informatika ary filozofia. Kendrena ny mba hahazoana mpianatra miisa 500 sy ny hitaran’ny fiofanana na “mention” amin’io taona hoavy io. Maro ny olana sedrain’ny oniversite tsy miankina fa ny finiavan’ny mpitantana eo anivon’ilay sampam-pampianarana no hahafahana mandroso. Isan’ny olana, ohatra, ny eo amin’ny fiarahamonina ary antony nanamboarana ilay lalana satria heverina hoe raha mpianatra miisa 500 izany no hifamoivoy amin’io lalana io afaka 2 taona dia tsy maintsy hisy ny disadisam-piarahamonina. Mila sorohana izany. Diso ny fiheverana fa lalam-pihariana ny fampianarana fa rehefa mikendry ny kalitao dia ny tanjona voalohany dia ny mba haha olomangan’i Madagasikara izay olona mivoaka ao amin’ilay oniversite, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT