Pr Jonah R, 23 taona mpampianatra « vacataire » foana

« Ataovy amin’ny fahamendrehana sy fahamarinana ny fifantenanana »


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Nangataka ho mpampianatra maharitra tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny Profesora Jonah Ratsimbazafy

rehefa nahavita fianarana tany Etazonia ka nody teto Madagasikara tamin’ny 2002. Na izany aza, tsy mba voaray tamin’ny toerany izy, araka ny fitantarany, noho ny tsy fananany olom-pantatra sy tsy nanomezany vola. Firy taona taty aoriana, nanoro hevitra azy ny Profesora John Rasambainarivo mba hiditra amin’ny Faculté de Médecine raha toa ka tsy raisin’ny Faculté des Sciences. Na dia nankasitraka izany tolo-kevitra izany aza izy, dia tsy nazoto intsony satria nahita ireo olona taty aoriany nangataka ka tafiditra. Hatramin’izao, dia mbola « vacataire » izy ao amin’ny Faculté des Sciences ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ao amin’ny Mention Médecine Vétérinaire ary ao amin’ny ISSEDD Toamasina. Na teo aza ny fanamaivanana azy, raha vao tafaverina avy any Etazonia izy dia nanome ordinatera vaovao 5 ho an’ny departemantany, sady nanampy mpianatra maro tamin’ny fanatontosana ny « mémoire » sy « thèse ». « Misoratra amin'ny École Doctorale ao amin'ny ESS Agro Antananarivo ihany koa... Fa ny tsy itovizako amin'ireo mpampianatra permanent, na dia responsable taranja lehibe aza aho, dia miandry ny vola vacation mandritra ny 4 na 5 taona vao mandray ny valin-kasasarako », hoy hatrany i Pr Jonah Ratsimbazafy. Na dia mitana ny anaram-boninahitra « Professeur » aza izy, dia tsy mahazo ny sata « Professeur titulaire », « Émérite », na « Classe exceptionnelle » noho ny maha « vacataire » azy. Soa ihany fa ny any ivelany no mankasitraka ny asa sorany, nahafahany niara-miasa tamin’ny Profesora Raoelina Andriambololona tao amin’ny African Academy of Sciences sy TWAS. Na izany aza, nisaorany manokana ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Mamy Ravelomanana, izay nanambara tamin’ny 2023 fa omena azy ny Doctorat Honoris Causa noho ireo zava-bita nataony teto. Tsy nataony fitarainana anefa izany, fa kosa nitondrany hafatra hoe : « Ataovy amin’ny fahamendrehana sy ny fahamarinana, tompoko, ny « recrutement » an'ireo izay mendrika izany ». Tsy hoe tapitra ny lalana ho azy noho ny tsy fampidirana azy ho mpampianatra raikitra, satria mbola hajain’ny sekoly nianarany tany USA izy. Porofon’izany, dia nisafidy azy ho Ray mpiahy an’ireo mpianatra « graduate » ao amin’ny Université SUNY Stony Brook amin’ny volana Mey ho avy izao, oniversite ahitana mpianatra 40 000. Hafatra nataony ho an’izay ho Filohan’ny Oniversite ho avy koa ny hoe : tokony hatao laharam-pahamehana ny fananganana Comité d’éthique. Tokony ho voafaritra mazava fa ireo olona tena nandray anjara tamin’ny fanoratana articles ihany no tokony ho co-auteurs, fa tsy ireo mpikambana ao amin’ny Comité de thèse. Notsindriany ihany koa fa tsy tokony ho ampidirina amin’ny dingana HDR izay olona tsy manana fahaiza-manao sahaza amin’ny famoahana lahatsoratra siantifika. Tokony hazava tsara aloha ity resaka ity vao asiana HDR, izay tsy misy akory amin’ny rafitra anglophone, hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy. Atao mahagaga ve raha mahazo vahana ny « fuite de cerveau » na fanjavonan’ireo manam-pahaizana Malagasy tokony ho hery ho an’ny Firenena kanefa atao ankilabao ka zary ny firenen-kafa no misitraka azy?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT