Fampianarana

Politikam-pampianarana Mila omen-danja ny famoronana


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Hampianarina handalina fa tsy hampianarina hikaroka ny mpianatra Malagasy amin’izao fotoana, raha ny fanehoan-kevitra nataon-dRakotovoavy Frédéric avy amin’ny Fikambanana Mitsinjo ny ho avy.

Tsy manana vina hampandroso ny firenena ny tanora noho izany. Dieny mbola kely anefa izy ireny dia tokony hampianarina mikaroka fa tsy mandalina. Toa miandry tolorana hatrany ny tanora noho izany tsy fisian’ny politikam-pampianarana mizotra mankany amin’ny fikarohana sy famoronan’asa izany, hany ka toa miandry tolorana sy tsy dia mivoatra firy amin’ny famoronana asa ny ankamaroan’ny tanora. Hanolotra tolo-kevitra momba ny fampiroboroboana ny fikarohana sy famoronana noho izany io fikambanana io. Tsikaritra ho miha mitotongana ihany koa ny fari-pahaizan’ny tanora ankehitriny raha jerena amin’ny fitotongan’ny fanadinana bakalorea. Tsy mahafehy tena ny ankamaroany, ka zary manao antsirambina ny fianarana. Ny ray aman-dreny rahateo efa sahiran’ny asa fameloman-tena, ka tsy dia mahavita manara-maso firy, ka na fifanakolazan-kevitra eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany aza tsy misy.


 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT