Politeknika Vontovorona

Nampifamonoana indray ny mpianatra sy ny Emmo-reg


  • Alarobia 31 Jolay 2024

Taorian’ny fanairana nataon’ireo mpianatra ny herinandro lasa teo, nohamafisina ny andron’ny alatsinainy teo,

dia niditra tamin’ny fitokonana mahery vaika indray ny mpianatra teny amin’ny Politeknika Vontovorona. Manamafy ny fitakiana vatsim-pianarana 6 volana farany, fanamboarana ny fotodrafitrasa, famerenana ny « connexion »,… ireo mpianatra. « Maro ny zavatra notakiana tsy nisy valiny. Ny vatsim-pianarana olana foana, tamin’ny fandoavana ny 3 volana voalohany dia nampanantenaina fa alohan’ny bakalorea. Ny resaka fotodrafitrasa nampanantenaina hamboarina, kanefa na fijerena fotsiny aza tsy misy. Ny « Connexion » ilaina amin’ny maha mpianatra ho injeniera tsy noraharahiana. Raha nisy mpitarika nahay nifampiresaka dia anisany izahay, saingy tena tafahoakatra loatra ny fitaka sy fampanantenana poakaty nataon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. », hoy ny solontenan’ny mpianatra. Nilaza ny mpianatra fa tsy hijanona intsony ny grevy raha tsy mivoaka ny vatsim-pianarana, misy dingana ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa, miverina ny « wifi »,… Nandoro kodiarana ivelan’ny fefin’ny sekoly izy ireo, ka nalefa indray ny Emmo-reg hifanandrina taminy. Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso ary nirarakopana ny tora-bato avy amin’ny andaniny. Voatery nanakaton-tsena avokoa ireo mpivarotra teo amin’ny manodidina vokatry ny zava-niseho. Tahaka izany hatrany ny zava-mitranga eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana. Tsy tena misy vahaolana maharitra, fa ny fampifandonana ny mpianatra amin’ny mpitandro filaminana aloha no vahaolana aroson’ny fitondrana. Ny Minisitera aza moa tsy misy minisitra tompon-toerana efa ho 3 volana taorian’ny fandrotsahana ho depiote ny Minisitra. Ny mpitsara bakalorea tsy mahazo ny volany ara-potoana, ny vatsim-pianarana tsy omena,… Hopotehina tanteraka ve ny fampianarana ambony miankina amin’ny Fanjakana e ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT