Fampianarana

Paul Rabary Mandamin-dresaka amin’ny Silamo


  • Talata 09 Mey 2017

Tonga nitsidika ny “Centre Rassouloul Akram” misy ny “Institut Islamique de Madagascar” etsy Antohomadinika omaly maraina ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary.

  Niara-nanangan-tsaina tamin’ireo mpianatry ny sekoly La Sagesse mihitsy izy, fihetsika izay nanehoany hatrany fa mitovy avokoa ny sekoly rehetra eto amintsika, tsy misy fanavahana na iza na iza fa samy mitaiza sy manabe ny zanaka Malagasy ka tokony ho samy hanara-dalàna. Nisy ny fanazavana nentiny mikasika ny finoana sy ny fanabeazana izay nantitranteriny fa tsy tokony hafangaro velively. Minisitry ny fanabeazam-pirenena no asako ary ny mampanara-dalàna ny sekoly rehetra no andraikitro, hoy hatrany izy. Raha misy zava-mitranga eny anivon’ny sekoly dia tompon’andraikitra hatrany ny minisitera iadidiako. Tsy misy hidirako ny resaka finoana, antony nanaovany antso avo ny sekoly Silamo rehetra mba hivondrona anatin’ny “Direction Nationale des écoles de Confession Musulmane” hahafahan’ny roa tonta miady hevitra. Nomarihiny manokana fa miisa 160 sisa ireo sekoly 600 tsy nanara-dalàna teo  aloha izay tsy nakatona avy hatrany akory fa mbola nampitandremana avokoa ka ny 16 amin’ireo no sekoly Coranique. Nisy ny tablette miisa 50 sy fanomezana ho an’ireo mpampianatra natolotry ny minisitera ho an’ity sekoly iray ity. Ho avy tsy ho ela ny anjara birikin’izy ireo entina hanohanana ny sekoly.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT