Fampianarana

Paul Rabary Mamitaka ny fahaizan’ny ankizy amin’izao


  • Alakamisy 31 Aogositra 2017

Mila avahana ny taham-pahafahana sy ny fari-pahaizan’ny ankizy, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena,

Paul Rabary, raha nandiso ny filazana famariky ny fidinan’ny fahaizan’ireo mpianatra ny taham-pahafaham-panadinam-panjakana nihena tamin’ity taona ity. Isika tsy natao   hamokatra mpianatra mpanao tsianjery fa olona manana fahafaha-mandinika sy mamakafaka. Izany no antony nahatonga ilay fanapahan-kevitra hanajanona amin’izay ny fanaovana “cours” eny amin’ireo sekolim-panjakana. Tsy efa naman’ny fangalarana ve ny karazana laza adina maromaro hanazarana ireo mpianatra ? Manantena izy avy eo fa hitovitovy amin’iny ihany no hitranga any amin’ny fanadinana. Tany amin’ny Cisco Tsihombe, ohatra, izay nahitana taham-pahafahana BEPC 88% sy ny teto Antananarivo izay nahitana taha 48% dia sahiko ny milaza fa nahay kokoa ilay teto Antananarivo. Rehefa hiakatra eny amin’ny anjerimanontolo ireo mpianatra dia tena manahirana ny fahaizan’ny mpianatra amin’izao.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT