Fampianarana

Oniversiten’i Barikadimy Mitaky ny hialan’ny minisitra ireo mpianatra


  • Zoma 29 Mey 2020

Nidina an-dalambe nilanja sora-baventy omaly maraina ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy ao Toamasina.

 

 

 

 

Nitaky ny hamoahana ny vatsim-pianarana 5 volana izay mbola tsy noraisiny izy ireo. Nangataka ny hanomezana tosika fameno sy vatsy Tsinjo azy koa izy ireo noho ny fahasahiranany no sady nitaky ny hanalana ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony izay nambaran’izy ireo fa mpanavakavaka. Nifanindry an-dalana tamin’ny fandoroana kodiarana teny amin’ny arabe izany. Tsiahivina moa fa mpianatra tsy afaka namonjy fodiana noho ny fiparitahan’ny valanaretina Covid 19 ireto nanao hetsika ireto. Nahare izany ireo tompon’andraikitra any an-toerana ka omaly folakandro ihany dia tonga nanatitra fanampiana ho an’ireo mpianatra toy ny vary sy menaka ary fitaovana izay natokana ho azy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT