Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Tsy manaiky fanakorontanana


  • Zoma 18 Mey 2018

Nanoloana ny zava-nitranga teny amin’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso ny alarobia teo nandritry ny fakan’ireo depioten’ny fanovana sy ny vahoakany ireo mpiasa sy mpianatra teny an-toerana mba andeha hitolona ka nisiana fanipazana « Cocktail molotov » avy amina mpikarama an’ady hanakorontana dia nanamafy omaly ny avy eo anivon’ny anjerimantolo fa tsy hanaiky fanakorontanana.

 Efa nisy mpianatra 2 nanana karatra maha mpianatra voarohirohy izay tratra nitondra vato tanaty kitapo nosamborin’ireo mpitandro ny filaminan’ny oniversite, hoy ny fanazavana. Fifanajana anaty fanabeazana aloha no vaindohan-draharahan’ny oniversite ka tsy mbola hivoaka amin’ny faritry ny oniversite ny fanadihadiana. Tsy mbola nisy fitoriana nalefa any amin’ny fitsarana hatreto, hoy ny mpitondra tenin’ny oniversiten’Antananarivo, Andriamiandravola, ary raha misy aza angamba izany dia mikasika ilay « Cocktail molotov ». Nohamafisiny fa manaja ny fahalalahana ny oniversite saingy tokony hisy hatrany ny fifampiresahana am-panajana mialoha ny hidiran’olon-kafa tsy miasa sy mianatra ao ho fanajana ny atao hoe « Franchise universitaire ».

J . Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT