Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Niara-nitokona avokoa ny mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha


  • Zoma 29 Jona 2018

Niara-nitokona nanomboka omaly ireo mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo.

 
Niato tanteraka ny fampianarana noho  ny tsy fihainoan’ny fanjakana azy ireo mikasika ireo zony  efa voafaritry ny lalàna. Anisan’ireny ny fahataran’ny fanampiana omen’ny fanjakana ny oniversite antony mahatara lava  ny fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra, ny mpandraharaha, ireo mpikaroka efa misotro ronono. Tsy latsa-danja amin’izay ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Mikasika ity farany dia nambaran-dRtoa Faniry Herinaivo, mpikambana eo anivon’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara fa vatsim-pianarana efa noraisiny tamin’ny 21 taona lasa ihany no mbola raisin’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimantolo ankehitriny ka tena tsy rariny intsony. 30.000 Ar no sora-bola efa noraisiny tamin’izany, ary tsy mbola misy fiovana mandraka ankehitriny nefa tsy hahafahan’ireo mpianatra mividy fitaovam-pianarana ara-dalàna intsony.  Nilaza moa ny filohan’ny SECES Sampana Antananarivo, Dr Sammy Gregoire fa raha toa ka tsy mihaino ny fangatahan’izy ireo ny fanjakana dia  haharitra herinandro ity fitokonana eny amin’ny anjerimanontolo ity. Omaly anefa dia efa re fa nisy olona tonga nizara vola teny an-toerana mba handravana ny hetsiky ny mpianatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT