Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Miato ny fampianarana


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Nanapa-kevitra ny hampiato tanteraka ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra manodidina ny 900 isa mikambana eo anivon’ny sendikan’izy ireo na ny SECES omaly teny Ankatso.

Dia mbola ho toy ny mahazatra indray ve ny zavatra hitranga eny anivon’ny anjerimanontolo amin’izao andro vitsy tsy hifaranan’ny taona izao ka rehefa hahazo amin’ny ampahany ny anjarany ireo mpampianatra mpikaroka dia hifanohivakana hitaky ny azy indray avy eo ireo mpianatra sy mpandraharaha. Isan’ny tena tsy levon’ny vavonin’ireto SECES Antananarivo ireto ny fiheveran’ny minisitra tomponandraikitra, Rasoazananiera Marie Monique, azy ireo ho toy ny zaza aman’ankizy, raha ny fanazavan’izy ireo farany, raha toa nanambitamby tamina vola 2 tapitrisa Ariary monja ity minisitra ity. Hitokona eo an-tokontanin’ny oniversite manomboka anio amin’ny 9 ora ny SECES ary nilaza ny tsy hijanona raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo dia ny saram-pikarohana taona 2015-2016, izay mbola tsy voaray hatramin’izao miaraka amin’ny an’ireo tokony handeha retirety saingy mbola manohy ny asany hatramin’ny faran’ny taona. Isany ihany koa ilay antsoina hoe : “Obligation de service” 125 ora. Hafampana indray izany eny Ambohitsaina eny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT