Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Mandrahona hanao fihetsiketsehana ihany koa ny mpianatra


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Mandon-databatra ireo Fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ankehitriny eo anatrehan’ny olana samihafa miteraka fitarazohan’ny fampianarana.

Mitaky ny hiverenan’ny fampianarana amin’ny tokony ho izy mba hitazonana ny tetiandro sy fandaharam-potoana voafaritra eny amin’ny anjerimanontolo. Nandefa taratasy miantefa amin’ny Filoham-pirenena, ny minisitra mpiahy, ny Filohan’ny oniversite, ary ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra noho izany izy ireo noho ny fiantraikan’ny tsy fivahan’ny olana samihafa amin’ny fianarana eny amin’ny oniversite. “Miantso ny famahana an’ireo olana maro mitarika fampikatsoana ny fampianarana izahay. Mila izany haingana dia haingana izahay mba hitazonana ny lamina ara-pampianarana efa nofaritana”, hoy ireo mpianatra. Mampahatsiahy hatrany moa ireo mpianatra fa tena lasibatry ny krizy satria fa am-bolana no nikatso ny fampianarana. Mitaky ny famerenana amin’ny laoniny fampianarana mba hahafahana manapitra ny taom-pianarana, ary ahafahana mieritreritra ny tohiny. Mitaky ihany koa amin’ny tompon’andraikitra mba hjery ny tetiandrom-pampianarana hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Isan’ny tena goavana ihany koa ny fitakian’izy ireo ny vatsim-pianarana am-bolana maro maro na “arriérés” amin’izao taom-pianarana itsahina izao, fa eo ihany koa ny tamin’ny taon-dasa. Isan’ny mampikatso ny fampianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo amin’izao fotoana izao moa ny fanaovana ny “oniversite maty” mba ho fitakiana ny fampananan-kery ny tolo-dalàna momba ny fizakantenan’ny oniversite izay notsipahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny fitakian’ny PAT (Personnel Administratif et Technique) izay mitaky ny karamany tara,… Mandrahona ny hanao fihetsiketsehana ny mpianatra eny Ankatso eo anatrehan’ny mety ho fitarazohan’ny famahana olana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT