Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Mananontanona ny taona fotsy


  • Alarobia 13 Novambra 2019

Nanapaka omaly ny fivoriamben’ny Seces, sampana Antananarivo, fa ankoatry ny fanentanana ireo mpampianatra mpikaroka mbola manohy

 

 

ny asany dia nandefa taratasy fangatahana fihaonana amin’ny filoham-pirenena sy ny fiadidiana ny primatiora ary ny minisiteran’ny fampianarana ambony izy ireo mba ho fialana nenina amin’ny fifampidinihana hanataterahana ny vahaolana nampanantenana azy ireo. Ny alakamisy izao izy ireo no hiverina hivory hahafahana manao ny tatitra momba io dingana io, hoy ny filohan’ny Seces Tana, Sammy Grégoire Ravelonirina. Hitaterana ihany koa ny vokatry ny fanapahan-kevitr’ireo oniversite hafa toy ny any Toliara sy Antsiranana. Tapitra androany (TTF: omaly) tsinona, hoy izy, ny fe-potoana 72 ora niantsoan’ireto Seces ireto famahana olana avy amin’ny fitondram-panjakana. Hisy, araka izany, ny dinika momba ny fanatanterahana tolona iombonana. Mety hiafara amin’ny fanambarana taona fotsy, hoy hatrany ny Seces Tana, izahay raha tsy tonga ny vahaolana.

 

Ambony ny tahan’ny fialana an-daharana eny amin’ny anjerimanontolo araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Mahatratra 25% izany ary ny fahadisoana eo amin’ny safidina lalam-piofanana matetika no tena anton’izany, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.

 

J. Mirija sy Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT