Oniversiten’Antananarivo

Mampikolay ny fikarakarana taratasy


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Mampitaraina hatrany ny mpianatra sy ireo manan-draharaha eny anivon’ny Ofisin’ny

bakalorea eny Ankatso ny fakana ny taratasy fanamarinana ny fahafahana tamin’ny fanadinam-panjakana na "Certificat de réussite" ao amin'ny Oniversite. Tahaka izany ihany koa ny fikarakarana ny diplaoma izay am-bolana vao mivoaka. Efa mahatratra an-kilaometatra ny filaharana, toy ny niseho omaly, ka velon-taraina ireo mpianatra sy mila raharaha eo anatrehan’izany. Voafetra ihany ny isa raisina, voafetra ny fotoana hahafahana mametraka ny fangatahana,… Endrika maneho sy manamafy ny fahasarotana amin’ny fikarakarana taratasy amin’ny raharaham-panjakana na « lourdeur administrative » eto amintsika ny tranga tahaka izao, izay tokony hijerena vahaolana maharitra. Ny tahaka izao no manamafy fa ilaina ny fampiasana sy fifehezana ny tontolon’ny teknolojia, ny « digitalisation », ny tetikasa momba ny nomerika hoenti-manatsara ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny fahasarotana tahaka itony ihany koa mantsy no varavarana misokatra makany amin’ny kolikoly izay tena azo vahana azo hamoraina sy azo hamoraina raha tena misy ny finiavana sy fahavononana hamaha olana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT