Oniversiten’Antananarivo

Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpianatra…


  • Talata 30 Jolay 2024

Taorian’ny fanairana nataon’izy ireo ny herinandro lasa teo, niverina nanamafy ny

Fikambanan'ireo Filohan'ny Mpianatra eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo omaly 29 jolay 2024, fa hiroso amin’ny fitakiana mahery vaika kokoa manoloana ireo olana maro sedrain'ny Mpianatra. Efa nanaovanay filohan'ny Mpianatra fanairana kanefa mbola tsy mbola nahitana valiny azo tsapaihin-tanana avy amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny fitakian’izy ireo, raha ny fanambarana omaly. Takian’izy ireo ny : hamahana ny olan'ireo Mpianatra tsy mbola nisitraka vatsim-pianarana (3mois+Equipement) 2023-2024 ; ny andoavana ny vatsim-pianarana 4,5,6 mois amin'ity volana jolay 2024 ity araka ny fampanantenana natao taminay tao anatin'ny « Conseil de Ministre » » ; vahaolana maharitra mahakasika ny olan'ny rano sy ny WC manerana ny Oniversitean' Antananarivo (Ankatso, Vontovorona) ; fiverenan'ny fiaraha-miasa sy fifanohanana eo amin’ny mpianatra sy ny Ministera mpiahy, indrindra fa ny fanaovana laharam-pahamehana ny famahana ny olan'ny Mpianatra. Manoloana ireo teboka ireo dia hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpianatry ny Anjerimanontolo raha tsy misy ny vahaolana aingana sy maharitra, raha ny nambaran’izy ireo. « Mino sy manantena izahay fa olona mikatsaka ny hampandrosoana ity firenena ity ianareo ka hanome lanja ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary handray an-tanana izao fitarainana ataonay izao », hoy hatrany ny fanambarana. Misy mihaino ve ? Amin’ny alalan’ny fampiasan-kery hatrany no hiatrehana sy hamahana ny olana ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT