Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Hihetsika ny mpianatra manomboka anio


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Nanao antso avo teny Ankatso ny zoma teo ny solontenan’ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo fa hisy ny hetsiky ny mpianatra manomboka anio alatsinainy ho fitakiana ny famahan’ny fitondrana ny olana eny amin’ny anjerimanontolo.

 

 

 Eo ny famerenana ny fampianarana fa eo koa ny fanarenana ny fotodrafitrasa mba hifanaraka amin’ny rafitra LMD. Ry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na SECES, sampana Antananarivo, moa dia nisinda kely teny amin’ny Yandy By Pass teny nifampiarahaba nahatratra ny taona sy nanamafy ny firaisankina, toy ny fanaony isan-taona, raha ny fanazavan’ny filohany, Sammy Grégoire Ravelonirina. Noraisiny ho efa fampanantenana vahaolana kosa ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra izay nilaza fa malalaka ny vavahadin’ny minisitry ny fampianarana ambony handraisana ny SECES. Mino izahay fa ho tongan’ny minisitra any amin’ny praiminisitra ny hetahetanay ary ho vahaolana maharitra no omen’ny fitondram-panjakana mba tsy hiverenan’ny olana sy tsy hisian’ny taona fotsy, hoy ny filohan’ny Seces Tana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT