Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Hiara-kiasa amin’ny oniversiten’i Kyoto any Japon


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny oniversiten’Antananarivo sy ny oniversiten’i Kyoto any Japon.

 

 

 

 

 Amin’ny alalan’ny fikarohana ireo zava-maniry maro mampiavaka  antsika eto Madagasikara  hahafahana mamokatra fanafody no hiarahan’ny roa tonta miasa ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka. Fa ankoatra izay dia hiara-kiasa amin’ny fifanakalozana mpampianatra ihany koa ny roa tonta. Hisy, ohatra, ireo mpampianatra be traikefa  avy any Japon ho avy eto Madagasikara ary hizara ny traikefany amin’ireo mpampianatra namany eny anivon’ny anjerimanontolo sy ny mpianatra, arahin’ny fampianarana teny vahiny ireto farany. Nomarihin’ny profesora Mamy  Ravelomanana, filohan’ny oniversiten’Antananarivo tamin’izany fa tombontsoa maro no aterak’izao fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izao. Tontosa omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’izy ireo ary hanomboka tsy ho ela ny asa. Tsiahivina moa fa anisan’ny oniversite lehibe indrindra any Japon ny an’i Kyoto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT