Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Ataon’ny fanjakana takalonaina ny mpianatra


  • Zoma 22 Desambra 2017

Feno ny kapoakan’ny SECES na ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra sampana Antananarivo noho ny bemarenina sy ny fandrirarirana ataon’ny fanjakana.


 Niroso tamin’ny grevy sy fitokonana faobe izy ireo nanomboka omaly, izany hoe : miato avokoa ny fampianarana. « Efa tapaka nandritra ny fivoriam-be ny 20 desambra teo io, ka nampiato tanteraka ny asa fampianarana ao anatin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny foibem-pikarohana nasionaly miorina eto Antananarivo ny SECES sampana Antananarivo satria nisy ny ezaka natao sy fifampiresahana tamin’ny solontenan’ny Minisitera mpiahy, nisy ihany koa « sit-in » natao, ary taorian’izay dia nanatanteraka fanairana amin’ny hisian’ny grevy aorian’ny 72 ora, saingy tsy mbola nisy vokany izay rehetra izay na dia nisy aza ny fanomezan-toky teo aloha. Noho izany, dia voatery tsy fidiny miroso amin’izao fampiatoana ny asa fampianarana izao », hoy ny Filohan’ny SECES sampana Antananarivo Ravelonirina Sammy Grégoire. Tetsy ankilany dia efa nijorojoro tsy nianatra ny ankamaroan’ny mpianatra omaly noho io fitokonana io, ary efa nisy rahateo ny fandefasana filazana maro samihafa amin’ny fiatoan’ny asa fampianarana mandra-pahazoana valiny mahafa-po amin’ny fitakiana izay atao. Tsiahivina hatrany fa mitaky ny fanomezana tsy misy hatak’andro mialohan’ny faran’ny taona ny tambim-pikarohana (indemnité de recherche) makany amin’ny fisotroan-dronono ho an’ireo mpampianatra mpikaroka mbola manatanteraka ny asany. Efa tokony ny volana janoary 2016 no nandoavana azy io satria efa tafiditra ao anatin’ny tetibolan’ny Minisitera mpiahy ny volana natokana ho amin’izany, raha ny fanazavan’ny filohan’ny SECES sampana Antananarivo hatrany. Nankaiza izany ny vola sa navily lalan-lafa ? Eo ihany koa ny fitazonana hatrany ho 125 ora ny ora tsy maintsy hiasan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, izay alaina io rehefa maka ny tambin’ny ora fanampiny izy ireo, ary ho an’ny taona 2015-2016 dia takiana ihany koa ny handoavana izany mialohan’ny faran’ny taona. « Ny tambim-pikarohana makany fisotroan-dronono dia ho an’ny eto Antananarivo no hitenenako, fa ny tena marina dia manerana an’i Madagasikara dia tratran’izay avokoa, ary ela niandrasana izay tambim-pikarohana izay », hoy hatrany Ravelonirina Sammy Grégoire. Momba ireo mpampianatra sasany mitady hivily làlana sy te hanimba ny tolona, dia mety ho marina izany na tsia fa ny ampitso no hitsara azy, hoy ity mpitarika ny SECES ity. Efa nisy ny fifampidinihana, fampahatsiahivana, ary indrindra ny fanintsiana natao ho an’ireo mitady hivily làlana satria tsy hafenina fa olombelona mety ho voasarika amin’izatsy na izaroa. Misy ny toe-tsaina tokony hotazonina, izay miorim-paka tanteraka sy mendrika ho an’ny fitantanana sendika sy ny fiainana ao anatin’ny sendika , izay tsy miandany amin’ny resaka ara-politika, tsy manohana mpitondra fanjakana, fa kosa miaro tanteraka ny zo sy ny asan’ny mpiara-miasa sy ny zo sy hasina ao anatin’ny sendika. Tsy mbola fantatra sy voafaritra mazava ny hiverenan’ny SECES amin’ny fanohizana ny fampianarana, rehefa mivaly ny fitakiana, ka azo soa aman-tsara ireo zavatra notakiana, dia hiroso amin’ny fivoriambe sy hampahafantatra ny fiafaran’ny grevy izy ireo, hoy ny filohany. Noho ny fanaovan’ny fanjakana bemarenina io, dia takalonaina indray ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo.

Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT