Fampianarana

Oniversiten’Ankatso Trano an’arivony manodidina azy no ahiana harodana


  • Sabotsy 21 Aprily 2018

Miaina anaty tebiteby tanteraka ireo mponina an’arivony monina manodidina ny Oniversiten’Antsako amin’izao fotoana izao. Raha araka ny fanazavan’Atoa Andrianjato John solontenan’ireo mponina eny an-toerana mantsy dia kasain’ny oniversite alaina indray ireo tany ivelan’ny efa nofaritany raha efa nisy ny délimitation nataon’ireto farany tamin’ny taona 2013.

  Nanao délimitation vaovao indray anefa ny oniversité ny taona 2016 lasa teo ka fantatra tamin’izany fa tokantrano marobe no voakasika manomboka eny Ankatso, Antsahamamy, mandalo Ambolonkandrina ka hatrany Andohanimandroseza. Kasain’ny filohan’ny oniversité zaraina amin’ireo mpampianatra eny an-toerana ireo tany ireo hoy hatrany ny mponina koa  hangatahin’izy ireo  ny hiverenan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany tamin’ny fanambarana nataony fa tsy  azo kitihina intsony ny toerana efa voafaritra. Toraka izany koa ny hanafoanana ny fifanaraham-piaraha-miasa misy eo amin’ny oniversité-n’Ankatso sy ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny alalan’ny fanamboarana ireo karazana foto-drafitrasa maro samihafa.  Tsiahivina moa fa tanim-panjakana ity hifandroritan’ny mponina monina manodidina ny oniversiten’Antananarivo sy ny oniversite ity. Efa nisy ny trano narodana vokatr’izany ny taona 2017 lasa teo ka manahy mafy ny mety mbola hiverenan’izany indray  ireo mponina eny an-toerana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT