Fampianarana

Oniversiten`i Mahajanga Tafapetraka ny filoha vaovao


  • Zoma 31 Mey 2019

Tontosa ny fametrahana ny filohan`ny oniversiten`i Mahajanga ka Atoa Dinaraly Odilon Tiandaza no hisahana ny fitantanana ireo fakiolte roa sy toerana fampianarana ambony 4 ao Mahajanga.

 

 

 

Nanambara ny vina hitondrany ny oniveriste Mahajanga izy dia ny fakàna lesona, indrindra manoloana ireo grevy na fanapotehana fotodrafitrasa mba ahafahana manatsara ny hoavy, ny fametrahana ny politikan`ny “relève” eo amin`ireo mpampianatra, izay 50%-n`izy ireo dia maherin`ny 60 taona avokoa, ny fametrahana sy fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin`ny mpiara-miombon`antoka, indrindra ny any ivelany, ny fametrahana fitantanana mangarahara. Ny fampiroboroboana ny lafiny pedagojika sy ny fikarohana, ny fijerena akaiky ireo fotodrafitrasa izay ananan`ny oniveristen`i Mahajanga. Ny fanatsarana ny kalitaon`ny fampianarana dia tokony hojerena manokana sy haingana, hoy hatrany ny fanazavana. Tonga nametraka amin`ny fomba ofisialy ny filohan`ny oniverisite any Mahajanga ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Rejo Fienena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT