Fampianarana

Oniversiten'i Mahajanga Nitsefotra ny fifampidinihana


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Tsy nahomby ny fampifanatonana mivantana ny tompon' andraikitry ny oniversite sy ny mpianatra nataon'ireo solontenam-panjakana tao Mahajanga notarihin'ny Préfet Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana sy ireo lehiben'ny OMC omaly maraina, nokasaina hamahana ny olan’ny oniversiten'i Mahajanga.

 

 Tao amin'ny Grand-Amphi Ambondrona no ambohimpihaonana. Nandritra izany no namakiana ny fehinkevitra tapaka nandritra ny fivoriana savaranonando natao tao amin'ny Lapan'ny tanàna ny talata tolakandro teo. Voarakitra ao anatin'io fehinkevitra io fa ny volana aprily 2018 vao miverina mipetraka amin'ny trano ny mpianatra, foanana ny fikambanan'ny mpianatra na ny CCE (Conseil Consultatif des Étudiants) na ny BDEUM (Bureau des Étudiants de l'Université de Mahajanga), tsy misy miova ny fanapahan-kevitry ny CODIS ny amin'ireo sazy rehetra ary misokatra ny fifampiresahana.  Taorian'ny namakiana io fehinkevitra io dia horakoraka tsy nifandrenesana maneho fandavana no nasetrin'ireo mpianatra nanerana ny efitrano nivoriana ka nivoaka avokoa ireo mpampianatra sy tompon’andraikitry ny oniversite. Ireo solontenam-panjakana sisa no nifandahatra sy nifandimby nandray fitenenana ary  nifampihaino teo. Taorian'io dia mbola nisy ny fifampidinihana tsy nahazo natrehina teny amin'ny biraon'ny KAKAL teny Mahajanga be.

Vahaniaina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT