Fampianarana

Oniversiten'i Mahajanga Naato noho ny covid-19 ny fampianarana


  • Alakamisy 07 Janoary 2021

Tapaka taorian'ny fivoriana nataon'ny Mpitantana ny oniversiten'i Mahajanga sy ny Tompon'andraikitra ara-pahasalamana androany,

 fa haato mandritra ny herinandro aloha ny fampianarana noho ny fipariahan'ny valanaretina covid-19. Tsy maintsy hiverina haingana ny fampianarana fa hametraka ny fepetra ara-pahasalamana, toy famendrahana ranom-panafody sy maro hafa aloha, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Oniversite Atoa Dinaraly Tiandaza Odilon. Noho izany, tsy hoe mandeha mody na miala amin’ny toeram-ponenany ny mpianatra, hoy ny fanampim-panazavana. Raisin'ny Minisitera an-tanana kosa ny fitsaboana ireo mpianatra marary, izay nambara fa tsy misy ahiana ny ainy. Ny fiandohan’ny herinandro lasa teo moa dia nahatratra 32 tamin’ny fitiliana natao no voan’ny covid-19, izay manome taha 55,17% be izao. Miisa 66 kosa ny fitiliana mbola andrasana ny valiny. Midika ny fanapahan-kevitra noraisina fa atahorana mba tsy hilazana fa efa miparitaka tanteraka ao Mahajanga ny valanaretina covid-19. Ny governora, izay manam-pahefana nitsena ilay mpanakanto Nocembo Zikode tao Mahajanga no nilaza ny alatsinainy teo, fa efa saika resy ny covid-19 saingy mandondom-baravarana, ary efa tafiditra mihitsy, ka nampiharina nanomboka ny talata 5 jolay ny fanaovana arovava ho an’ny olon-drehetra.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT