Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Miato ny fampianarana, hoy ny SECES


  • Alarobia 24 Mey 2017

Nanapa-kevitra ny hampiato ny fampianarana eny amin’ny oniversite ny sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra na ny SECES taorian’ny 72 ora nomen’izy ireo ny fanjakana, izay tapitra omaly.

 Tsy nahafa-po sy tsy nahitam-bokany ny fifampidinihana niarahana tamin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony. Taorian’ny fivoriana nataon’izy ireo omaly dia nambaran’ny SECES fa mitsahatra ny asa fampianarana sy ny asa fikarohana manerana ny toeram-pianarana eto amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny any amin’ireo foibem-pikarohana nasionaly rehetra mandra-pisian’ny vahaolana. Miantso filankevitra nasionaly tsy ara-potoana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao anatin’ny SECES ny 1-2 jona izao mba handraisana fanapahan-kevitra hentitra manoloana ny dingana efa natao sy ny mety ho fitadiavam-bahaolana. Aorian’io no mety hanaovana fitokonana faobe raha toa ka tsy misy ny vahaolana mafonja avy amin’ny fanjakana dia fanomezana ny zon’izy ireo. Vahaolana naroson’ny minisitera sy ny governemanta ny fiandrasana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2018 izay mifanipaka tanteraka tamin’ny fifanarahana natao teny Mahazoarivo ny 10 septambra 2015. Nandritra ny “loi de finance initial 2017” no tokony hanomezana ireo zo sy tombontsoan’ny mpampianatra mpikaroka dia   ny “indemnité de logement” sy “indemnité de résidence”, hoy ny SECES. Tsy fitakiana vaovao, araka izany, ny an’ny SECES fa fanatanterahana ny fifanarahana efa nisy saingy arirariran’ny fanjakana. Miato aloha izany ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo raha tsy tanteraka ny fitakian’ny mpampianatra. Mbola baraingo tanteraka ny hitohizan’ny fampianarana. Andrasana kosa izay ho fihetsiky ny mpianatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT