Oniversiten'Antananarivo

14.400 eo no mpianatra


  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

afaka raisina taona voalohany

Manodidina ny 14.400 eo ho eo no mpianatra afaka raisina taona voalohany na L1 eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo amin'ny taom-pianarana ho avy io. Nahitana fiakarana io raha ny oharina amin'iny taom-pianarana farany iny. Anisany nivoitra io nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin'ireo mpanao gazety teny Ankatso omaly entina ampahafantarana ny "Salon de l'Etudiant de l'Université d'Antananarivo" izay ho tanterahina ny 03 sy 04 septambra 2026 ho avy izao eo amin'ny Esplanade Ankatso. Entina hampahafantarana ireo sampam-pianarana misy eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo sy ny Annexe ao Bongolava ity hetsika ity. Hanamarika azy ity koa ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina izay handray anjara amin'ny fampiratiana sy hanatanteraka vela-kevitra sy fandraisana mpianatra hizatra asa ary tanora vonona hiasa raha mifanaraka amin'ny filana sy tolotra eo amin'izy ireo.
Jean D.
Ireo tompon'andraikitra tarihin'ny filohan'ny Oniversiten'Antananarivo nampahafantatra ny "Salon de l'Etudiant 2026"
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Masoivohon'i Alemaina
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

Nanohana ara-bola fanorenana

Hijery ny tohiny
FTT