Oniversiten'Antamanarivo

Misy olana ny fifidianana izay ho filohany


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Misy olana ny zotram-pifidianana izay ho filohan'ny oniversiten'Antananarivo.

Nametra-pialana faobe ny komity mpikarakara ny fifidianana noho ny fahatsapana fa misy tsindry hanerena azy ireo hanaiky ny zavatra tsy mety. Misy iray amin'ireo kandida 3 hifaninana ho filohan'ny oniversite, manana oniversite tsy miankina. Tsy mety izany satria voararan'ny fitsipika mifehy ny fifidianana, hoy ry zareo avy ao amin'ity komitin'ny fifidianana nametra-pialana ity. Raha raisina ohatra hoe nahazo fitaovana na vola fanampiana avy any ivelany ny oniversiten'Antananarivo, dia ahoana no ahazoana antoka fa tsy hisy ho lasa any amin'ilay oniversite tsy miankina izay fananan'ilay filohan'ny oniversite io hoy ny ahiahy. Tsy filam-banona fa tena resaka fanajana ny etika izany indrindra amina toerana ambony saropady toa ny filohana oniversite izany, hoy ny resak avy amina loharanom-baovao iray mahalala tsara ny raharaha sy ny fiainan'ny oniversite. Noho io fametram-pialan'ny komitin'ny fifidianana io dia tsy voahaja ny tetiandro satria tsy raikitra tamin'ny alakamisy 27 febroary teo ny fanombohan'ny propagandy. Mitady hanao amboletra ilay kandidia tsy mahafeno fepetra (resaka conflit d'intérêt) hoy ry zareo avy ao amin'ny komitim-pifidianana. Ny mampiahiahy manaraka dia nilatsaka ny didy avy any amin'ny minisiteran'ny fampianarana ambony milaza ny fametrahana komity manokana na comité ad'hoc hikarakara ny zotram-pifidianana . Mipetraka ny fanontaniana hoe hampanaja ny lalàna velona ve sa hanery ny hanatanterahana ihany ilay fifidianana na dia misy aza ny kandida tsy mahafeno fepetra. Andrasana izay mety ho tohiny.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT