Fampianarana

Oniversitem-panjakana Mihemotra ny famaranana ny taom-pianarana


  • Alarobia 27 Mey 2020

Mihemotra ny fe-potoana famaranana ny taom-pianarana 2018-2019 ho an’ireo oniversitem-panjakana sy Ivon-toeram-pampianarana ambony, araka ny naoty navoakan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony nosoniavin’ny Pr Randriamasitiana Gil Dany ny alatsinainy 25 mey teo.

 

 

 

 

 Raha ny tapaky ny COPRIES izay fivoriana tamin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia n any “reunion virtuelle” ny 4 mey, dia tapaka tamin’io fa ny 30 jona no mifarana tanteraka ny taom-pianarana, ary ny 8 jolay ny fidirana. Misy anefa ny fitarainana nataon’ny ray aman-dreny ho an’ireo mpianatra izay monina ivelan’ny anjerimanontolo sy ny renivohitra, izay tsy afa-mamonjy ny anjerimanontolo noho ny fepetra ara-pahasalamana ka tsy afa-manoatra. Noho izany indrindra, dia mihemotra amina daty mbola tsy voafaritra ny fotoana hifaranan’ny taom-pianarana sy ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao. Andrasana ny fanapahana miainga amin’ny “VISIOCOPRIES” hifanaovan’ny Minisitera mpiahy sy ireo Lehiben’ny Anjerimanontolo eo anatrehan’ny fivoaran’ny raharaha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT