Fampianarana

Oniversitem-panjakana Korontanina ambony ambany


  • Zoma 15 Desambra 2017

Miezaka manamboatra resaka ny avy eo anivon’ny birao nasionalin’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na ny Seces, raha nilaza omaly ny filohany, ny Dr Dimby

Ralambomanana fa efa misy vahaolana mitsirika avy amin’ny fitondram-panjakana ary efa eo am-pandoavana ny tambin-karama 2016 ny minisitera ka antenaina fa hisitraka izany 100% amin’ny volana janoary ireo mpampianatra tsy nahazo ny anjarany.  Miandry sy manantena izahay, hoy izy, ary iriana ny fisian’ny fifampitokisana. Tetsy an-kilany kosa, ny filohan’ny Seces eto Antananarivo, Samuel Raveloniriana dia nanambara fa mbola mampanahy be azy ireo ny fanatanterahan’ny fanjakana ilay didim-panjakana 2009 12- 15 satria dia tsy azo hatramin’izao ilay tambin-karama tokony ho noraisina tamin’ny volana janoary 2016. Tsy ekenay koa, hoy ny Seces Tanà, ny fidiran’olona an-keriny ao amin’ny tanin’ny oniversite toy io mitranga any Toliara amin’izao fotoana izao io. Nanapa-kevitra izahay ny hanambana fitokonana manomboka anio ka rehefa tsy mivaly afaka 72 ora ny fangatahana dia hiato ny fampianarana. Takiana ny fanatanterahana ny fifanarahana mikasika ny ora fanampiny ho an’ireo mpampianatra, ny tambin-karama rehefa mikaroka, tafiditra ao anatiny ny an’ireo efa tokony hisotro ronono nefa mbola manohy ny fampianarana sy fikarohany.

Hivondrona amin’ny SMM sy SSM

Nilaza ny vonona hivondrona amin’ireo sendika mitsangana ara-dalàna toy ny sendikan’ny mpitsara na ny SMM sy ny sendikan’ny mpiasam-panjakana na ny SSM izay nahatonga solontena teny Ankatso koa moa ny Seces Antananarivo sy Toliara raha niara-nanao fivoriambe omaly. Efa feno trano, hoy ireo solontenan’ny Seces Toliara omaly ao amin’ny tanin’ny Oniversite Toliara ary 15ha tamin’ny tany 350ha sisa no mba an’ny oniversite. Tsy mandry fahalemana daholo ny mpianatra sy mpampianatra. 6 herinandro izahay, hoy izy ireo, no nanao fihetsiketsehana fa tsy mba nisy solontenam-panjakana akory nijery ny olana na dia iray aza. Ny oniversite 4 efa nahazo ny tambin-karamany avokoa ankoatra an’i Toliara sy Antananarivo. Mikatona tanteraka ny oniversiten’i Toliara, hoy ireo solontenan’ny Seces avy any an-toerana. Korontanina tanteraka ny oniversitem-panjakana. Inona no maha manampahaizana ireo mpitantana raha olana efa miverimberina isan-taona tahaka io no tsy mety voavaha ihany hatramin’izao fa mainka miha mafy aza ?

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT