Fampianarana

Oniversite tsy mianatra Efa resaka hafa mihitsy…


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Tsy mbola voafaritra ny daty hiverenan'ny mpianatra eny amin'ny oniversite rehetra fa mbola hifampidinika amin'ny alalan'ny COPRIES ireo filohany sy mpitantana ny IST (Institut Supérieur de Technologie) ary ny eo anivon’ny minisitera,

raha ny fanazavana efa nataon’ny minisitra Rasoazananera Marie Monique. Tsy mbola misy tokotaniny, araka izany, ny tontolon’ny fampianarana ambony taorian’ny fitsaharan’ny fampianarana vokatry ny pesta. Ny taom-pianarana tsy mbola tapitra ho an’ny ratsam-piofanana maro, ny fanadinana hidirana taona voalohany ihany koa nihemotra sy tsy mbola misy tokotaniny. Tsy mbola misy kosa anefa ny fanapahan-kevitra noraisina fa tsikaritra ho misy ny finiavana hampitarazoka azy hatrany. Resaka fandaminana anatin’ny oniversite tokoa ve sa mety misy ambadika hafa, toy ny hoe tsy mbola misy ny vola natokana ho amin’ny fandoavana vatsim-pianarana, izay matetika miteraka grevy ? Mitandro mafy ny tsy hisian’ny fitokonana ny fanjakana. Anisan’ny paikady efa nataony hanalefahana ny hetsi-pitakiana eny amin’ny anjerimanontolo ny fanomezana toerana sy seza ireo mpitarika na koa fandefasana azy ireny hanao hetsika any amin’ny faritany. Mikorontana sy mitotongana ny tontolon’ny anjerimanontolom-panjakana, ka andrasana izay mety ho vahaolana maharitra sy mety ho fanapahan-kevitra hentitra horaisina mandritra ny COPRIES. Asa na horesahina koa ny momba ny fampiakarana Filankevi-pifehezana (CODIS) ireo mpianatra miisa 71, izay voasaringotra tamin’ny raharahara fanakorontanana sy doro trano ny 12 oktobra. Toa nidiran-dRivo Rakotovao an-tsehatra anefa ny fampanginana ny raharaha. Mbola manana ny fiandrianany ve ny anjerimanontolom-panjakana eto amintsika ?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT