Fampianarana

Oniversite Issup Manao fiofanana”initiale” sy “continue” ho an’ny mpiasa sy mpianatra


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Mitsinjo ireo mpiasa manana traikefa amin’ny asa ataony ka mbola te hampitombo ny fahaizany ny sekoly ambony Issup na “Institut Superieur Privé Professionnel” etsy Behoririka.

 

 

 

Toa izay ihany koa ireo mpianatra taona fahatelo, mianatra ny taranja fitantanana ary manomana ny “licence  professionnelle”, hidirana eo amin’ny sehatry ny asa amin’ny tsy miankina na fanjakana. Natokana ho an’ny mpianatra taona fahatelo sy ny mpiasa io fiofanana “initial” sy “contenue” omen’ny sekoly io. Isan’andro no mianatra ny mpianatra manaraka io fiofanana  “initiale” io, fa ny “contenue” kosa dia isaka ny sabotsy ary mividy boky amin’ny vidiny mirary ny mpianatra.

Sampam-piofanana maromaro no hita amin’ireo fiofanana ireo, toa ny fitantanana ahitana ny GRH na “Géstion Ressources Humaines”, “Comptabilité et Finances” ary “Marketing et Action Commerciale”. Nambaran’ny talen’ny sekoly Ramiandrisoa Lalaina fa hiditra eo amin’ny sehatry ny matihanina amin’ny fampianarana ny sekoly, ka antony iray anomezan’izy ireo ny fiofanana ho an’ny mpianatra sy mpiasa.

 

Sitraka r.  

   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT