Fampianarana

Oniversite iraisam-pirenena Frantsay Hisokatra eny Ankorahotra


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny IKM Antsahavola ny fisokafan’ny biraon’ny oniversite France international Graduate School na ny FIGS etsy Ankorahotra.

 

Izy ity, raha ny fanazavana, dia fivondronana sekoly ambony miisa 20 ao Frantsa ao ary farany teo dia malagasy miisa 30 no efa nandeha nandranto fianarana any amin’ireo ivo miisa 10 misy ao Frantsa. 94.000 isa kosa ireo mpianatra efa nandalo tao ary ankehitriny dia miisa 24.000 ireo mpianatra. 40 taona moa izay no nisian’ity sekoly ity tao Frantsa ary misy programam-pampianarana amin’ny teny frantsay 60 isa. Misy koa anefa ny programa amin’ny teny anglisy ranofotsiny ao amin’ireo sekoly 2 hafa. Tanjona, hoy ny tompon’andraikitra, ny handrantoan’ireo tanora fianarana amin’ny sarany mirary sy torolalana azo antoka ahitan’izy ireo fianarana ombam-pampianarana avy hatrany satria ny ankamaroan’ireo mpianatra efa nivoaka tao dia saika nahita asa handraisany karama mihoatra ny 30% noho ny eto an-toerana avokoa.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT