Tontosa omaly alakamisy 25 jolay tao amin’ny Amphi 24, FLSH Ankatso ny fivoriamben’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES Antananarivo, niresahana ny vokatry ny fifampidinihana tamin’ny tompon’andraiki-panjakana sy ny tohin’ny fitakiana.
Nisy ny fihaonana tamin’ingahy tale kabinetran’ny Primatiora ny zoma 13 jolay 2018 saingy toa milaza ho angady tsy mahatapak’ahitra ny mpitondra ary tsy misy ny vokatra azo tsapain-tanana, hoy ny SECES. Manatanteraka fitokonana faobe ny SECES sy ny mpandraharaha ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa, raha toa ka nampanantena fa manohana tanteraka ny fitakiana iombonana sady milaza fa hiroso amin’izay dingana mafimafy kokoa ny oniversiten’i Toliara, raha ny tatitra. Efa nisy ny hetsika fanairana nandritry ny herinandro nataon’ny Toko telo mahamasa-nahandro teny amin’ny oniversiten’Ambohitsaina ny 28 jona-06 jolay 2018. Niandry fandraisan’andraikitra sy famahana olana kanefa tsy nisy. Miato noho izany ny fampianarana sy ny fikarohana eto amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ireo foibem-pikarohana nasionaly miorina eto Antananarivo manomboka anio. Manohana tanteraka ny tolona sendikaly ataon’ireo sendika namana eto Madagasikara, ary indrindra ireo izay ao anatin’ny sahan’ny asa fanabeazana sy fampianarana izahay, hoy izy ireo. Manameloka tanteraka ny endrika fandrahonana sy antsojay ataon’ireo tompon’andraikitra sasantsasany amin’ny mpiasa Malagasy mitaky ny zony am-pilaminana sy araka ny lalàna velona. Miantso fandraisana andraikitra mahomby avy amin’ireo izay mahatsiaro tena ho mpitondra fanjakana mba hitondra vahaolana haingana ihany koa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.