Fampianarana

Olan’ny fanabeazana eto Madagasikara « Ratsy toetra ny androatokon’ireo milaza azy ho profesora’’


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Raha tena miaina ny maha manampahaizana azy ary tia mizara amin’ny lafiny rehetra izay milaza ny tenany ho mahay dia tsy izao ny tontolo misy ny fampianarana ambony, hoy ny mpanabe sady mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo, ny Dr Tsiky Rakotomavo.

 

 

 

 Ratsy toetra sy tia tena ny androatokon'ireo milaza azy ho profesora hany ka tsy misy mpandimby mihitsy. Porofon'izany ny fahavitsian'ny olona mahavita fikarohana noho ny sakana mahazo azy ireo. Satrin'ireo mpampianatra zokiny tsy hisy handimby izy. Ny grevy dia efa tarazo isan-taona, fihetsika hanehoana tsy fahafaliana sy tsy fiononana eo amin’ny fiainana. Tsy mipetraka ary tsy maika amin’ny fanjakana ny fanabeazana. Io anefa no anisan'ny fototra hanaovana sy hanatsarana fomba fisainana. Tsy manan-danja ny fampianarana amin’ny sekolim-panjakana ka zary lasa sekolin'ny mahantra. Tsy voabe tsara intsony ny ankizy. Ohatra fotsiny ny tsy fahaizan'ny ankizy ankehitriny ny hiram-pirenena satria tsy mampiaka-tsaina intsony. Ny mpampianatra ihany koa tsy ampy fanofanana ka zara raha mampita, hoy hatrany ity mpanabe ity. Tsy tena iainan'ny mpampianatra ny taranja ampianariny, hany ka tsy tafita sy tsy mipaka ny fahalalana tiana hampitaina amin’ny mpianatra. Ny famerenana ny fanabeazana ara-kolontsaina eo anivon'ny fandaharam-pianarana no anisan’ny vahaolana, hoy izy. Mety ho lavitra ezaka fa hitako mikolo ny fomba fisainana io. Atao matanjaka sy misesisesy ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona hahafahana manajary fisainana. Tokony hisy matetika ny fanofanana mitovy hahafahana mampitovy lenta ny endri-pampianarana. Mila olona resy lahatra amin’ny fanabeazana ny mitantana ny minisiteran'ny Fanabeazana, hoy ny Dr Tsiky Rakotomavo.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT