Fampianarana

Olan’ny fanabeazana Ankizy 5 tapitrisa tsy mianatra intsony…


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Mahatratra 5 tapitrisa hatreto ny isan’ireo ankizy mpianatra nitsoaka an-daharana an-tsekoly manerana ny Nosy. Ireo mpianatra any ambanivohitra no tena voakasik’izany noho ny halaviran’ny toeram-pianarana sy ny tsy fisian’ny sakafo hohanina.

 

 

 

 Hiezaka hamerina azy ireny an-tsekoly ny fitondram-panjakana, raha araka ny kabarin’ny filoha Andry Rajoelina tany Yokohama, Japana omaly mandritra ilay fikaonan-doha ho fampandrosoana an’i Afrika tontosaina any an-toerana na ny TICAD 7 . Ankoatra izay dia nomarihiny fa hotohizana ihany koa ny fizarana tablety ho an’ireo ankizy mpianatra, indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana arahin’ny “Kits scolaires”. Nihaona mivantana  tamin'ny tale mpanatanteraky ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny Ankizy na ny UNICEF, Rtoa  Henrietta Fore sy ny tale jeneraly vaovaon'ny FAO, Atoa Qu DONGYU  omaly ny filoham-pirenena. Nisy ihany koa mandritra izany ny tatitra nataony mikasika ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mponina toy ny ady hatao tamin’ny aretina kitrotro izay nanaovana fidinana ifotony tany Ambilobe mihitsy, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hain-tany any Atsimo. Nomarihin’ny filoha Andry Rajoelina moa fa hohatsaraina hatrany ihany koa ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara hahafahan’ny zanaky ny Malagasy migoka ny tombontsoa azo avy amin’izany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT