Fampianarana

Olana ara-tanin’ireo Oniversite Nanaitra ny fanjakana ny Seces Antananarivo


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Eo anatrehan’ny loza nitranga tao Maninday, Oniversiten’ny Toliara ny 10 septambra 2020 ka naha may ireo tranovondro ipetrahan’ny mpianatra dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra Antananarivo na Seces Tana.

 

 

 

Nankahery ireo niharam-boina izy ireo. Eo anatrehan’ny fatiantoka lehibe mianjady amin’ny mpianatra sy ny Oniversiten’ny Toliara dia mampahatsiahy sy manaitra ny fitondram-panjakana amin’ny fisian’ny olana ara-tany ao amin’ny Oniversiten’i Toliara sy eo anivon’ireo Oniversite rehetra manerana ny nosy ary ireo Foibem-pikarohana Nasionaly ny Seces Tana. Manainga ny mpitondra fanjakana mahefa mba hitondra vahaolana azo tsapain-tanana sy mahomby ary maharitra hamahana ireo olana miisa roa mifandray ireo dia ny olana mikasika ny tanin’ireo Oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo Foibem-pikarohana Nasionaly sy ny olana mikasika ny toeram-ponenan’ny mpianatra. Ny Seces sampana Antananarivo dia manantena fa hisy fandraisana andraikitra ahazoana toky fa tsy hiverina eo anivon’ireo anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana sy ireo Foibem-pikarohana Nasionaly intsony ny loza toy ireny, hoy hatrany ny fanambarana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT