Ny tsara ho fantatra momba ny “adresse IP

Mety efa nitranga taminao hoe nividy


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

fitaovana iray ianao (“imprimante” ohatra).

Efa vonona ianao hampiasa azy miaraka amin’ny solosainao kanjo tsy nety nandeha. Narahanao tsara anefa ny toromarika rehetra ary efa tafiditra amin’ny WIFI ao antrano ilay izy. Rehefa tena niezaka ianao de misy soratra mipoitra hoe : “Adresse IP introuvable”.
Eo ny olana : fa inona ilay “adresse IP”? Manaraka izay, tena ilaina ve ny mahafantatra azy ahafahana mampandeha ilay fitaovana anaty “réseau”?

Ny “adresse IP” dia azo oharina amin’ny adiresin’ny tranonao fa ho an’ny “appareils connectés”. Raha tsy misy adiresy ny tranonao dia ho sarotra ny hanatitra zavatra any aminao. Eo amin’ny tontolon’ny aterineto, mitovy ihany : ny “appareils connectés” rehetra dia mila manana “adresse IP” mba ahafahana mifandray aminy.
Io adresse io dia fitambarana antokon’isa 4 sarahana teboka, ohatra “192.168.1.5”. Io isa mifanaraka io no hanavahana ny “appareils connectés” rehetra anaty réseau. Raha tsy hananana io dia tsy afaka mifandray amin’ny “appareils” hafa mintsy ny solosainao.

Tsara noho izany ny mahafantatra azy io satria tsy “imprimante” ihany fa maro ireo fitaovana toy ny “caméra de surveillance”, “box internet/routeur”, “éclairage connectées” sy ny sisa. Rehefa hiatanao ireo isa 4 mifanaraka ireo dia azonao ampidirina amin’ny solosainao amin’izay ary azonao ampiasaina amin’izay ilay fitaovana.

Fehiny, ny adresse IP dia somary fahalalana teknika, kanefa rehefa azonao tsara izy dia manampy anao hamaha olana maro matetimpiavy no sady tsy voatery hiantso olona foana. Ary mba inona ilay VPN? Ho resahina amin’ny manaraka indray.

Mirary soa,
Hasina Rivonandrasana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT