Fampianarana

Ny oniversite ajoro Ny mpampianatra tsy mitombo ny isany


  • Talata 22 Martsa 2022

Tsy ho ela intsony dia ho vita tanteraka ny oniversite manara-penitra any Analanjirofo satria ny 90% ny asa no voalaza fa efa vita, araka ny tatitra nandritra ny fitsidihan’ny Filoha Rajoelina ny faran’ny herinandro teo.

Hahazaka mpianatra 1500 isa ny Oniversite tahaka ny oniversite manara-penitra apetraka isaky ny faritra 23 eto Madagasikara, hoy ny tatitra. Nambara fa tsy ho mena mitaha amin’ny any amin’ny faritra hafa ihany koa satria ahitana “espace vert”, trano famakiam-boky, “connexion wifi” maimaimpoana, laboratoara sy “salle de soutenance” ary cafétéria. Ankoatr’izay, ahitana “dortoire” mahazaka mpianatra 150 ho fitsinjovana sy fanamaivanana ireo mpianatra avy lavitra tonga handrato fianarana eny. Mendrika oniversite manarapenitra ny vahoakan’Analanjirofo, ary hodinihina miaraka amin’ny ministera tompon’andraikitra ny fandrafetana ny lalam-piofanana (filière) mifanaraka amin’izany faritra izany, hoy i Andry Rajoelina. Hisy fiaraha-miasa amin’ireo mpampianatra avy amin’ny oniversite lehibe avy any ivelany ihany koa mba hahazo fanofanana mendrika ny zanak’Analanjirofo, hoy ny fampanantenana. Amin'ny taom-pianarana manaraka manaraka ary ve izany dia tsy hifandrombaka any barikadimy sy Ankatso intsony fa mba efa miasa oniversite Analanjirofo? Zava-dehibe ny fahavitana fotodrafitrasa tahaka izao, endrika sy porofo ivelany hoentina maneho nahavita zavatra ny Fanjakana. Fa mba manao ahoana kosa ny lafiny arak’olona izay tena ain’ny fampianarana fa tsy vitan’ny rindrin’efatra sy ny endrika ivelany io? Moa mba misy mihaino ve ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra izay tena vitsy an’isa ary efa ireo mpampianatra tsy raikitra na “vacataires” no betsaka amin’izao? Ny fianarana mijoro fa ny mpampianatra tsy misy na tsy ampy? Any amin’ny manam-basy anefa hampiditra zandary sy polisy 2950 amin’ity taona ity, fa ny mpampianatra mpikaroka na dia mba 200 aza toa tsy mba misy, hoy ny fanamarihana. Atao mahagaga ve raha mamonjy ireo oniversite efa misy ny mpianatra na efa mitsangana aza ny manara-penitra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT