Fampianarana

NY AMPINGA Namoaka mpianatra 150 mianadahy indray


  • Talata 13 Jona 2017

Namoaka ny andiany fahasivy misalotra ny anarana “Antsiva” indray ny fikambanana Ny Ampinga ny faran’ny herinandro teo,

 fikambanana izay  tsiahivina fa mampianatra kabary maimaimpoana. Teny Analamahitsy no nanaovana ny  fanandratana  azy ireo tamin’izany  izay nahatratra 150 mianadahy mianaka ka fito taona no zandriny indrindra tamin’izany raha 62 taona no zokiny indrindra. Nianatra nandritra ny fito  volana teny amin’ny ANS Ampefiloha sy teny amin’ny LTP Alarobia ary teny amin’ny sekoly  Fanoellie Imerinafovoany izy ireo ary efa mahafehy tsara ny asan’ny mpikabary avokoa. Tonga nanotrona ny lanonana tamin’izany avy ao amin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny avy ao amin’ny Federasion’ny Mpikanto teny sy Soratra (FMTS)  raha ny filoha tale jeneralin’ny sekoly ambony INSPNMAD kosa no Ray mpiahy azy ireo.  Raha araka ny fanazavan’i Manampisoatoavina, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny fikambanana “Ampinga” dia natao hanairana ny manodidina ity andiany vao navoaka ity.  Amin’ny volana novambra ho avy izao indray  no hiditra amim-pomba ofisialy ny andiany fahafolo.                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT