Fampianarana

NY AMPINGA Mpampianatra mpikabary am-polony no notolorana mari-pahaizana


  • Talata 04 Aprily 2017

Mba hahafahana mampitovy ny rafitry ny kabary eto Madagasikara dia mpampianatra mpikabary am-polony maro no niatrika fiofanana manokana ary notolorana ny mari-pahaizana avy amin’ny minisiteran’ny kolontsaina ny faran’ny herinandro teo.

 Ny Federasionan’ny mpikanto ny teny sy ny soratra no tompon’antoka tamin’izany. Anisan’ny voakasika ireo mpampianatra mpikabary 20 mianadahy mianaka avy eo anivon’ny Ampinga izay fantatra amin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : “hampandroso hatreny ifotony ny teny sy ny soatoavina Malagasy”. Tanjon’ny Ampinga raha araka ny fanazavan’ny filohany Mitahirifahendrena  ny mba hahafahan’ireo mpampianatra ao aminy manatevina hatrany  ny fahaiza-manaon’izy ireo. Ankoatra ireo toerana fampianarana  kabary telo sahaniny eto an-drenivohitra mantsy( LTP Alarobia, ANS Ampefiloha, Lycée privée Phanoelly Talatamaty) dia hanitatra any amin’ny faritra ihany koa izy ireo amin’ity taona ity ka ny roa any Antsirabe raha eto Antananarivo ihany ny telo ambiny. Tsiahivina fa mampianatra kabary maimaimpoana ho an’ireo izay liana Ny Ampinga.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT