Fampianarana

Noho ny fanohanan’ny Japoney Vita ny fanitarana ny EPP Ambatobe


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Notokanana omaly ireo efitrano fianarana vaovao miisa enina sy birao roa miaraka amin’ny dabilio miisa 150 ho fanampin’ireo telo nisy teo aloha tao amin’ny EPP Ambatobe Zap Tana V, Cisco Antananarivo Renivohitra.

 

 Ho afaka hianatra amin’ny ora feno fa tsy hifandimby maraina sy hariva intsony ireo mpianatra. Tafiditra ao anatin’ilay fandaharanasan’ny fiaraha-miasa Japoney « Dons aux micro-projets locaux contribuant à la sécurité humaine » ny fanatanterahana ity tetikasa ity. Tanjona ny hanomezan’izy ireo tanana ny Filohampirenena Andry RAJOELINA amin’ny fanomezana lanja ny fitoviana sy ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara, araka ny lahateny nataon’ny Masoivoho Japoney SEM Higuchi Yoshiro nandritra ny lanonam-pitokanana. Nanatrika ny lanonana ny Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle izay nisolotena ny filoham-pirenena sy nitarika ireo delegasionin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT