Fampianarana

Nitaky vatsim-pianarana Nahemotra ny fitsarana ireo mpianatry ny Polyteknika


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Mihemotra ho amin’ny talata 11 mey 2021 eny amin’ny Fitsarana Anosy ny fotoam-pitsarana ireo mpianatry ny sekoly ambony

 

 

 

 Polyteknika Vontovorona izay tokony natao omaly. Telo mirahalahy izy ireo, mpianatra taona faharoa ao amin'ny sampana “Ingénierie pétrolière” ny iray, taona voalohany amin'ny sampana “Sciences et Ingénierie des matériaux” ny faharoa ary taona fahatelo amin'ny sampana “Sciences et Ingénierie des matériaux” ny fahatelo. Nosamborina ny marainan’ny 15 martsa 2021 teny Vontovorona izy telo mirahalahy ireo rehefa nanao fitakiana vatsim-pianarana efa-bolana sy fampitaovana ireo mpianatry ny Polyteknika. Natao famotorana tao amin'ny Tobim-paritry ny zandarimaria Fenoarivo ireo voasambotra, ary notohizana eny Ankadilalana ny alin’io avy hatrany ny famotorana. Natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Anosy ny raharaha ny 16 martsa 2021. Taorian'ny fihainoan'ny Fampanoavana azy telo mirahalahy dia nalefan'ny Fitsarana nody ireto mpianatra ireto, fa amin'ny 13 aprily 2021 no fotoam-pitsarana, saingy io nihemotra io. Nisy fitadiavana tolo-tanana narahina tsipaipaika nataon’ny mpianatra nanangonam-bola nanakarama mpisolovava hiaro azy telo lahy ireo mandritra ny fotoam-pitsarana azy ireo. Nisy vola voaangona, ary efa nisy vola naloa mikasika izany.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT