Fampianarana

Nihamafy ny grevy tany Maninday Nanakan-dàlana indray ny mpianatra


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Mitohy ary mihamafy ny hetsiky ny mpianatry ny Oniversiten’I Toliara. Taorian’ny nanidian’izy ireo tamin’ny alalan’ny “soudure”

ny vavahadin’ny anjerimanontolo any an-toerana, izay naharava mihitsy ny fifaninana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana na ny ASIEF any an-toerana, nidina an-dalambe tao amin’ny arabe tao Besasavy làlana miazo ny Oniversiten’I Maninday ireo ny mpianatra any an-toerana omaly. Vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra 700 mahery, vatsim-pianarana telo volana ambiny mbola tsy voaray, ny bloc simba, ny “validation” an’ny mari-pahaizana “master”,… no hanamafisan’izy ireo ny fitakiana. Avereno ao amin’ny oniversite ny fandoavana ny vatsim-pianarana, fa leo korontan-dava izahay. Tonga ny mpitandro filaminana nandrava ny hetsika, raikitra ny fifandonana, ka tafaverina tao amin’ny “campus” ireo mpianatra omaly. Manao seholany ny indray ny olana momba ny fampianarana ambony ankehitriny. Ankoatra io resaka vatsim-pianarana io mantsy, misy ihany koa ny fitarainana sy antso vonjy ataon’ireo mpianatra any ivelany tahaka ny any Russie, Indonezia,… noho ny tsy mbola nivoahan’ny vatsin’izy ireo avy amin’ny Fanjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT