Fampianarana

Niha nangotraka ny grevy Nakaton’ny Filohan’ny Oniversite ny ENS


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Niditra tamin’ny andro faharoa omaly ny grevin’ny mpianatry ny ENS (Ecole Normale Supérieure) etsyy Ampefiloha.

Izy ireo izay tsiahivina hatrany fa mitaky ny fampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana taorian’ny fahavitany ny fianarany, ka tapitra ny alatsinainy 05 desambra 2022 teo ny fe-potoana nomen’izy ireo hamahana ny olana, ka anisany ihany koa ny fitakiana ny hamoahana didim-panjakana mazava momba ny satan’ny ENS. Nangotraka ny grevy omaly, raikitra ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana, narahina fifanandrinana teo amin’ny mpianatra izay nanao tora-bato variraraka ankilany, ary andaniny ny mpitandro ny filaminana izay tsy nitsitsy tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso. Samy nisy naratra roa avy teo avy tamin’ny andaniny sy ny ankilany, ary nisy ihany koa fiara iray tratry ny tora-bato ka simba. Tapaka tanteraka moa ny làlana. Noho ny toe-draharaha, namoaka taratasy nanome baiko ny hanakatonana ny ENS nanomboka omaly 7 desambra 2022 ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo omaly mba hisorohana ny korontana. Nanipika fa hakarina CODIS na filankevi-pifehezana izay mpianatra tompon’andraikitra amin’ny fitarihana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana sy miteraka fanakorontanana. Miandry fanapahana sy toromarika vaovao ny fisokafan’ny ENS. Raha hiverenana, naneho ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ankilany fa efa nisy ny fandraisana mpianatra nivoaka tao amin’ny ENS miisa 826, izay ny 338 amin’ireo manana CAPEN (Certificat d'aptitude pédagogique en éducation nationale), 228 mannana MAPEN (Master d'aptitude pédagogique), 200 kosa manana LAPEN (Licence d'aptitude pédagogique). Arakaraka ny filan’ny Minisitera ihany koa no nambara fa handraisana ireo LAPEN. Nisy ihany koa moa ny fanazavana nentin’ny Minisitra Rtoa Sahondraharimalala Marie Michelle lava dia lava, ka anisan’ny ny hoe: niala tsy ho eo ambany fifehezan’ny Minisiteran’ny fanabeazana (MEN) fa miankina amin’ny oniversite ny ENS. Tsy misy fankan-kevitra na andraikitry ny MEN amin’ny fampidirana ireo mpianatra ENS ary tsy manaiky ny hidiran’ny MEN amin’izany ny tompon’andraikitra tandrify amin’izany. Misy lalam-piofanana na “options” izay hita fa tsy mifanaraka amin’ny filana mpampianatra eny an-tsekoly ary tsy mifanojo amin’ny isan’ny mpampianatra isaky ny taranja tena ilaina eny amin’ny Lisea ny fampidirana ireo mpianatra ENS vaovao ireo. Mila mpampianatra taranja frantsay sy anglisy avy ao amin’ny ENS ohatra ny MEN ary tena tsy mahita mihitsy,... Toa mitady ho lasa resaky ny moana sy ny marenina ity raharaha ity!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT