Nigrevy indray ny Politeknika

Mitaky ny hiverenan’ny fampianarana


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Efa 5 volana izao no tsy nisy fampianarana vanona intsony teny anivon’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona.

Marobe ireo mpianatra tokony efa hanao boky tamin’ity volana Septambra ity raha araka ny vaovao azo ary efa nandany vola sy nilofo nianatra saingy zava-poana ihany izany. Tsy misy mpampianatra mampianatra intsony koa mantsy izy ireo, toy ny zava-misy iainan’ireo mpianatra eny Ankatso ankehitriny. Tsy nahazaka intsony ireo mpianatry ny politeknika Vontovorona noho izany omaly ka nitokona nanoloana ny sekoly ambony misy azy ireo. Takian'izy ireo araka izany ny hamerenana amin'ny laoniny ny fampianarana toy ny teo aloha. Toraka izany ihany koa ny hanafoanana ny fahatapahan-jiro matetika izay tena mampijaly fatratra azy ireo ka tsy hahafahany manao ny famerenan-desona. Ny hamatsiana rano fisotro madio tsy tapaka ny trano fonenany sy ny fanatsarana ny foto-drafitrasam-pampianarana ary ny toeram-ponenan'ny mpianatra. Misy amin’ireto farany mantsy no efa tena ratsy tokoa hany ka manjaka tsy fidiny ny asan-jiolahy. Nomarihin’ireo mpianatra moa fa tsy hijanona ny hetsika hataon’izy ireo raha tsy mandray ny andraikiny ny Fitondram-panjakana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nitokona nilanja sora-baventy tahaka izao ireo mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT