Hivoaka amin’ny fomba ofisialy anio zoma 25 aogositra ny valim-panadinana bakalorea ho an’ny Faritanin’Antananarivo.
09,75/20 no salan'isa farany ambany hahafahana manafaka ny mpiadina. Miisa 33170 ny fitambaran’ireo afaka rehetra, izay manome 44,48% ny taham-pahafahana ho an’ny sokajy rehetra. Raha tsinjaraina isaky ny sokajy dia toy izao : A1 : 45,57% ; A2: 43,76% ; C:36,14% ; sokajy D : 39, 59%. Miisa 5879 ireo nahazo ny “Mention Assez-bien”, 767 kosa ny “Bien” ary 54 nahazo ny isa ambony indrindra sy voasokajy ao anatin’ilay antsoina hoe “Mention Trés bien”. Nahitana fihenana ny taham-pahafahana tamin’ity taona ity mitaha amin’ny tamin’ny taon-dasa, izay 49,80%, izany hoe nahitana fidinany 5,32%. Nitovy kosa anefa ny naoty farany ambany nahafahana nanafaka ny mpiadina. Efa nivoaka ny 17 aogositra lasa teo kosa ny an’ny Faritanin’i Fianarantsoa, ka nahitana fidinana ihany koa satria 49,95% ny taham-pahafahana ho an’ny sokajy rehetra, izay nihena 3%, nahatratra 53% tamin’ny taon-dasa. Ny alin’ny 23 aogositra kosa ny tany Toliara, ka 44,99% ny taham-pahafahana. Nidina ny taham-pahafahana amin’ny ankapobeny, raha jerena amin’ireo efa nivoaka. Faly sahirana aloha hatreto ireo afa-panadinana. Vita iny ny dingana iray fa mbola baraingo kosa ny tohiny ho an’ny tanora maro. Hifanotofana indray ny fitadiavana ny lalam-piofanana harahina ho an’ireo izay tsy mbola nieritreritra firy. Ao ny mihevitra ny hiditra eny amin’ny oniversitem-panjakana, saingy voafetra ihany ny toerana. Manampy betsaka ny tanora ireny hetsika isan-karazany momba ny fampianarana ambony ireny. Akaiky indrindra ny hetsika lehibe “Salon des Etudes Sup’” karakarain’ny Fikambanana Mada Jeune, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny 7-8 septambra izao. 50 mahery ireo tranoheva ho hita eny an-toerana, izay hahafahan’ny tanora mahazo fahafaham-po amin’ny fakana fahalalana sy torohevitra hahafahana misafidy ny lalam-piofanana harahina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.