Fampianarana

Nenjehina ho nanaparitaka laza adina hosoka Afaka ilay mpampianatra sy mpianany telo


  • Talata 03 Novambra 2020

Namoaka didy ny fitsarana Ambaratonga voalohany tao Antalaha omaly 02 novambra mahakasika ny fitoriana momba ny fiparitahan'ny laza adina

 

 

 

Bakalorea sandoka ka nampidirana am-ponja vonjimaika ny mpampianatra sy ny mpianany telo, talohan’ny fanadinana "Baccalauréat 2020". Natsahatry Fitsarana manomboka ny fanenjehana ireo voarohirohy, ka afaka madiodio ny mpampianatra miaraka amin'ny mpianany telo. Naharitra adin’ny roa ny fihainoana ireto voampanga ireto ary nipoitra teo ny marina rehetra satria nisy vavolombelona miisa dimy sahy nanapotsitra ny fototra nahatonga an'ireo notazonina vonjy maika tany am-ponja. Nihazo ny CEG ny mpampianatra ary ny mpianatra miaraka amin'ny Ray aman-dreny taorian’ny didy. Hikiaka, horakora-pifaliana, tsy vitsy ny latsaka ranomasom-pifaliana, izay no sombin’ny zava-nisy teo am-pandrenesana sy taorian’ny nahafantarana ny didin’ny Fitsarana. Tsy nitsitsy nanapoitra ny marina rehetra momba ity tranga ity rahateo ilay mpisolovavan’ireto mpianatra ireto, Me Barison Jaotsara, hoy ny vaovao navoakan’ny Radio Mangarahara. Atao ahoana kosa ireo ankizy very zo tsy nanatrika fanadinana kanefa tsy meloka raha ny didim-pitsarana? Hanomanana « Session spéciale» ve?

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT