Fampianarana

Mpisehatra amin’ny fanabeazana Nitondra soso-kevitra, nandroso vahaolana


  • Zoma 08 Mey 2020

Mitoetra ny mety ho teritery ary tsapa fa ho sarotra kokoa ny fiarafaran’ny taom-pianarana, hoy ny fanambarana nataon’ny CONAMEPT, STEM, ASSEP, FEKRIMPAMA, FIMPAFHAM omaly.

 

 

Tsy feno ny karaman’ireo mpampianatra sy mpandraharana ho an’ny volana aprily, indrindra fa ny sekoly tsy miankina. Tsy feno ny karama omen’ny raiamandreny ireo mpampianatra efa tsy misitraka “subvention”. Tapaka ny karaman’ireo FRAM voaray ho mpiasam-panjakana. Misy ny fangalana vola eny anivon’ny sekoly tsy miankina ataon’ireo CISCO sasany na efa tsy voaloa aza ny karaman’ireo mpiasa amin’ireny. Mangataka fandaminana ny toe-javatra samihafa izay ahafahana manatanteraka ny taom-pianarana izy ireo, toy ny fiarovana sy fiambenana azo antoka ny sekoly. Jerena manonokana volan’ny rano sy ny herinanaratra. Kendrena ho madio sy voaaro ny fotondrafitrasa rehetra mialohan’ny hiverenana. Manomana kitapom-bola hanohanana ny dingana fanarenana, fametrahana ny mpiasa mpanolon-tsaina isaky ny ZAP. Mangataka ny hananganana komity vonjimaika: sendikan’ny mpiasa, firaisamonim-pirenena, Fanjakana, vondron’ny sekoly tsy miankina handinika ny vahaolana. Tokony henjanina ny fampidirana FRAM eny anivon’ny sekoly mba tsy ho baranahiny, efa nampiditra mpampianatra FRAM 50 000 ho mpiasam-panjakana isika anefa dia niaka ho 25 000 indray, hoy ny CONAMEPT.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT