Fampianarana

Mpino Silamo Tezitra amin’i Paul Rabary


  • Sabotsy 29 Aprily 2017

Efa tany amin’ny taonjato fahasivy no nisy teto Madagasikara ny finoana silamo, hoy ry zareo solontena avy eo anivon’ity antokom-pinoana ity, omaly,

 

 tetsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary, raha nanazava ny mikasika ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fampianarana, Paul Rabary, tany Mahajanga omaly zoma. Tsy nisy olana, hoy izy ireo hatramin’izay fa aty amin’ny taonjato faha-21 aty, tato ho ato dia lasa misy olona mampiely fa loza mitatao ho an’ny fiarahamonina sy ny firenena malagasy izahay silamo. Tsy nety ve ny nandefa taratasy fotsiny ho an’ireo sekoly voalaza ho tsy manara-dalàna dia avy eo manakatona ? Diso raha toa ka sekoly nanao sonia fa hampianatra hanao fanabeazana ankapobeny no nivadika tamin’ny teniny ka lasa tsy nanao afa-tsy fandalinam-pinoana, hoy hatrany ny fanamarihana nataon’ireto solontena ireto. Tsy izay anefa no nitranga fa mazava ny tenin’ny minisitra hoe akatona ny sekoly koranika 190. Amin’io tany Mahajanga, izay hiaraha-mahalala fa fiarahamonina be silamo sady andro zoma no nanaovany fanambarana. Fihantsiana ady izany, hoy izy ireo. Mangataka fihaonambem-pirenena hamahana ny olan’ny finoana sy fivavahana eto amintsika ireto solontena ireto.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT